Tao amin’ny efitrano DOX Tranombokim-pirenena Anosy no natao ny famindram-pitantanana teo amin’i 𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐈𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐑𝐚𝐝𝐨, izay voatendry hisahana ny andraikitra maha Talen’ny 𝑭𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒏𝒂̀𝒏𝒂, 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒉𝒂-𝒎𝒂𝒔𝒐 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑻𝒐𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂 ( DPSE) sy RAKOTONDRAVAO Jean Olivier Roland Ernest izay nitana izany andraikitra izany teo aloha.Tetsy ankilan’izay dia notanterahina tao amin’ny efitrano HAVORIA Anosy kosa ny famindram-pitantanana teo amin’ny 𝑻𝒂𝒍𝒆𝒏'𝒏𝒚 𝑻𝒆𝒍𝒆𝒗𝒊𝒔𝒊𝒐𝒏𝒂 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 vao voatendry 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐨𝐫𝐚𝐡𝐚𝐬𝐢𝐧𝐚 𝐋𝐨𝐫𝐚𝐡, sy ny Talen’ny TVM mpisolo-toerana ANDRIANAMPOINA RANARIVELO Hajaina.Teorin’io dia vita soa aman-tsara ihany koa ny fandraisan’i 𝐑𝐀𝐒𝐎𝐋𝐎𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐇𝐚𝐫𝐢𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐜𝐚, izay voatendry ho 𝑻𝒂𝒍𝒆𝒏'𝒏𝒚 𝑹𝒂𝒅𝒊𝒐 𝑵𝒂𝒔𝒊𝒐𝒏𝒂𝒍𝒚 nandimby ny Talen’ny RNM teo aloha RANDRIANINDRINA Ravaka Lantoarinjaka. 𝑴𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒊𝒉𝒂𝒏𝒚 𝒊𝒛𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂, io no niompanan’ny lahateny fohy nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 nanoloana ireo mpiara-miasa marobe tonga nanome voninahitra izao lanonana famindram-pahefana natao androany izao, raha niresaka ny maha 𝒇𝒊𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒗𝒊𝒂𝒎𝒃𝒆 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒗𝒂𝒌𝒚 ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny minisitera.