Actualités > MIRAKITRA NY TANTARA SY NY KOLONTSAIN...

MIRAKITRA NY TANTARA SY NY KOLONTSAINA AMIN’INY FARITRA ANOSY INY NY PIC SAINT-LOUIS AO TAOLAGNARO.


Toerana miavaka, mahasarika mpizahan-tany maro noho ny firafitry ny tendrombohitra avo hatrany amin’ny 515 m, sy ireo toerana miavaka ao aminy.Misy ny tetikasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho fanohizana ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐧𝐣𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐣𝐢𝐚𝐧𝐚 io toerana miavaka.Nanatanteraka fivoriana tao Faradofay ny Komity mpintantana ny tetikasa 𝙋𝙞𝙘 𝙎𝙖𝙞𝙣𝙩-𝙇𝙤𝙪𝙞𝙨 ao an-toerana, ka anisany mpikambana ao anatin’izany komity izany ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy tarihin’ny Talem-paritra JOE KAMAMY Mondestin amin'ny maha 𝐡𝐚𝐫𝐞𝐦𝐛𝐚𝐤𝐨𝐤𝐚 ity toerana ity , ny Tetikasa PIC 3, ny Faritra Anôsy, ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany miampy ny 𝑂𝑓𝑓𝑖𝑐𝑒 𝑑𝑒 𝑇𝑜𝑢𝑟𝑖𝑠𝑚𝑒, ary ny Kaominina ambonivohitra Taolagnaro .Hanomboka tsy ho ela ny fanohizana ny tetikasa ka efa miomzna amin’izany ireo rafitra mandrafitra ny komity ao an-toerana, antony nanaovana izao fivoriana arak’asa izao.

MIRAKITRA NY TANTARA SY NY KOLONTSAINA AMIN’INY FARITRA ANOSY INY NY PIC SAINT-LOUIS AO TAOLAGNARO.
MIRAKITRA NY TANTARA SY NY KOLONTSAINA AMIN’INY FARITRA ANOSY INY NY PIC SAINT-LOUIS AO TAOLAGNARO.
Publie le 04/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités