Actualités > SARIMIHETSIKA MALAGASY : EFA MIHAMATI...

SARIMIHETSIKA MALAGASY : EFA MIHAMATIHANINA ANKEHITRINY

Ny fampivoarana ny Kolontsaina dia fototry ny fampandrosoana ary tafiditra amin'izany ny fampiroboroboana ny indostrian'ny Sarimihetsika. Antony nijororoan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'ny alalan'ny ISSM na Ivotoeran'ny Sarimihetsika sy ny Sarimiaina hanohana ny mpisehatra amin'ny Sarimihetsika sy Sarimiaina, izay efa niseho tamin'ny endrika maro izany fanina izany , io no nambaran'ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina Fetra Rakotondrasoava nandritra ny fanokafana ny andiany voalohany amin'ny "Madagascar Film festival ISSM AWARD" izay karakarain'ny Minisitera amin'ny alalan'ny ISSM.

‎Efa maro ankehitriny ny orinasa mivelona amin'ny tontolon'ny Sarimihetsika toy ny fahitalavitra mivelona amin'ny fandefasana horonan-tsary vokarina sy tontosaina eto Madagasikara. mitombo isa ihany koa ireo mpisehatra mahazo ny "visa international" sy ireo mahazo amin'ny fifaninana festival iraisam-pirenena amin'ny sehatry ny Sarimihetsika.
‎"Ity festival ity dia kiondalana lehibe ho an'ny sinema Malagasy ary hiezaka ny fanjakana hitazona izany isan-taona" Hoy hatrany ny Sekretera Jeneraly.

‎Nisokatra omaly ary haharitra 5 andro ny Madagascar film festival ISSM AWARD izay andiany voalohany atao ao amin'ny Havoria Anosy.
‎Ankoatran'ny fifaninana sy fisafidianana horonan-tsary sy mpanantotosa dia hisy fifampizarana traikefa sy fanofanana na "Master Class" amin'ny resaka Sarimihetsika.
‎Isanandro dia hisy ny fandefasana Sarimihetsika ary afaka jeren'ny daholobe maimaim-poana izany.

Publie le 27/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualités