Isany fanovana lehibe tanteraka tao anatin’izay roa volana nitantanana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay ny fametrahana ny sata vaovaon’ny 𝗢𝗠𝗗𝗔 na ny « 𝑂𝑓𝑓𝑖𝑐𝑒 𝑀𝑎𝑙𝑎𝑔𝑎𝑠𝑦 𝑑𝑢 𝐷𝑟𝑜𝑖𝑡 𝑑’𝐴𝑢𝑡𝑒𝑢𝑟 ».Teboka iray lehibe ao anatin’izany sata vaovao izany ny nankatoavan’ny filan-kevitry ny minisitra ity fanavaozana ity, izay ahitana fanatsarana sy fampitomboana ny fisitrahan’ny mpamorona sy mpikambana ao amin’ny 𝗢𝗠𝗗𝗔 ny zon’izy ireo.