Actualités > ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA

ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA


Akon’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Teatra tany amin’ny faritra.
Ho an’ny faritra Vakinankaratra, dia seho an-tsehatra izay nandraisan'ny Tarika Kanto, Miranga, Sylvia_S Groupe no nentina nankalazana izany. Nasaina manokana ireo mpianatra ka tena hipoka tanteraka ny Tranoben'ny Serasera sy Kolontsaina AKON'ANKARATRA. Niara-niasa tamin’izao hetsika izao moa ny avy ao amin’ny Fari-piadidiam-pampianatra Antsirabe 1.
Ny tany amin’ny faritra Anosy indray dia tao amin'ny Lycée Pôle de Fort-Dauphin no nanatanterahana izany fankalazana izany ka tamin’ny alalan'ny seho an-tsehatra niompana tamin'ny ady amin'ny doro-tanety izay nilalaovin'ireo mpianatra avy amin'ny CEG de Référence izay noravahana dihy mampiavaka ny Faritra anôsy dia ny dihy Antanôsy, Antandroy, Bara.
Ho an’ny Faritra Matsiatra ambony dia seho tsotra nefa nanan-danja no natao tao amin’ny tranoben’ny Serasera sy ny kolontsaina Ambatomena Fianarantsoa, piesy teatraly nolalaovin’ny ankizy mpianatra taizana eo anivon’ny fikambanana « Enfants de Soleil » no nentina nankalaza izany. Tantara tsotra mitahiry ny fomba Malagasy sy mifono anatra ho fanajana ny kolontsaina Malagasy no nolalaovina mba ho fantatry ny ankizy ankehitriny izany kolontsaina Malagasy izany.
Ho an’ny faritra Melaky dia nomarihina tamin'ny alalan'ny fifaninana tantara tsangana izay nandraisan'ny kolejy sy ny lisea miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakana miisa 13 eto ambonivohitry Maintirano ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny teatra.
Filalaovana tantara an-dapihazo nataon’ny VMT (Vondron’ny Mpiangaly Tantara izay noravahana seho sehatra maro toy ny dihy vakodrazana niarahana tamin'ny tarika RAFIA sy mozika izay nataon’i Kelly BEATBOX no nanamarihana izany, hetsika izay natao tao amin’ny tranoben’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nanamarihana izany ho an’ny faritra Boeny.

ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY TEATRA
Publie le 01/04/2025 Par 451512 Categorie: Actualités