ActualitΓ©s > FAMPAHAFANTARANA FANOMEZANA MARI-BONI...

FAMPAHAFANTARANA FANOMEZANA MARI-BONINAHI-PIRENENA HO AN' NY MPANAO GAZETY


Nampahatsiahivin’ny π˜›π˜’π˜­π˜¦ 𝘫𝘦𝘯𝘦𝘳𝘒𝘭π˜ͺπ˜―β€™π˜―π˜Ί 𝘴𝘦𝘳𝘒𝘴𝘦𝘳𝘒 𝑹𝑨𝑲𝑢𝑻𝑢𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 π‘­π’‚π’π’š π‘΄π’‚π’‰π’†π’‡π’‚π’π’Šπ’“π’Šπ’π’‚ araka ny efa nampahafantarina teo aloha fa mikarakara hetsika manokana 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐞𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐒-π›π¨π§π’π§πšπ‘π’-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 π‘π¨πšπ§β€™π§π² 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 eto Madagasikara ny π˜”π˜ͺ𝘯π˜ͺ𝘴π˜ͺπ˜΅π˜¦π˜³π˜’π˜―β€™π˜―π˜Ί 𝘚𝘦𝘳𝘒𝘴𝘦𝘳𝘒 𝘴𝘺 𝘯𝘺 π˜’π˜°π˜­π˜°π˜―π˜΅π˜΄π˜’π˜ͺ𝘯𝘒 ankehitriny. Afaka misitraka avokoa ny 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐫𝐞𝐑𝐞𝐭𝐫𝐚 mahafeno ny fepetra ilaina, dia ireo izay feno πŸ’πŸŽ 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 sy nahavita πŸπŸ“ 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 farafahakeliny.Efa azo atao ny manatitra ny antontan-taratasy ilaina amin’izany π‘πšπ­π«πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝟏𝟎 𝐦𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 2026 , ka ho an’ ireo mpanao gazety avy ao π€π§π­πšπ§πšπ§πšπ«π’π―π¨ dia azo apetraka eny amin’ny π¬πžπ€π«πžπ­πšπ«π’πšπ§β€™π§π² π…π’π­πšπ₯𝐞𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 πšπ§π€πšπ©π¨π›πžπ§'𝐧𝐲 π’πžπ«πšπ¬πžπ«πš (SecrΓ©tariat 𝑑𝑒 π‘™π‘Ž π·π‘–π‘Ÿπ‘’π‘π‘‘π‘–π‘œπ‘› GΓ©nΓ©rale 𝑑𝑒 π‘™π‘Ž πΆπ‘œπ‘šπ‘šπ‘’π‘›π‘–π‘π‘Žπ‘‘π‘–π‘œπ‘›) eny Anosy ny antontan-taratasy fangatahana; raha eny anivon’ireo π…π’π­πšπ₯𝐞𝐚𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 π’πžπ«πšπ¬πžπ«πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨π₯𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐒𝐧𝐚 kosa ho an’ny any amin’ny faritra rehetra.Mandritra ny Β«JournΓ©e 𝒅𝒆 solidaritΓ© 𝒅𝒆𝒔 π’‹π’π’–π’“π’π’‚π’π’Šπ’”π’•π’†π’” Β» no hanolorana ny 𝐦𝐚𝐫𝐒-π›π¨π§π’π§πšπ‘π’-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 ho an’ny Mpanao gazety, izay kasaina hatao farafahatarany ny volana aprily 2026, izay fotoana hatokana π’‰π’‚π’π’‚π’Žπ’‚π’‡π’Šπ’”π’‚π’π’‚ π’π’š π’‡π’Šπ’“π’‚π’‰π’‚π’π’‚π’‰π’Šπ’‚π’π’‚ π’”π’š π’π’š π’‡π’Šπ’“π’‚π’Šπ’”π’‚π’-π’Œπ’Šπ’π’‚ 𝒆𝒐 π’‚π’Žπ’Šπ’β€™π’π’š π’”π’‚π’Žπ’š π’Žπ’‘π’‚π’π’‚π’ π’ˆπ’‚π’›π’†π’•π’š izay sehatra asa isan’ny nisedra ny fifampizarazarana  noho ny pΓ΄litika nandritra ny taona maro.Afaka mametraka taratasy fangatahana amin’ny anaran’ny tenany ny mpanao gazety tsirairay. Azo avondrona miaraka any amin’ny fikambanana mpanao gazety samihafa koa raha ilaina izany saingy ny fizarana dia atao andro iray ihany.Ireo izay efa nametraka taratasy fangatahana teo anivon’ny Holafitry ny mpanzo gazety (OJM) tamin’ny taona lasa kosa izay tokony hivaly amin’ny volana jona izao, dia manana safidy izy ireo na hiandry ny fivoahan’izany na hametraka antontan-taratasy vaovao amin’ity hetsika manokana ity.Marihina fa afaka mametraka fangatahana koa ireo izay efa manana ny mari-boninahi-pirenena ka mihevitra fa mbola afaka misitraka ny sokajy ambonimbony kokoa.IRETO AVY NY TARATASY ILAINA AMIN’NY FANGATAHANA :* ImprimΓ© mari-boninahi-pirenena (03) izay vidina eny amin’ny Imprimerie nationale, fenoina tsara ary asiana sonian’ny talen’ny toeram-piasana na ny fitaleavana  iasana  ho an’ny mpiasan’ny RNM sy TVM* Photocopie CIN certifiΓ©e (01)* Bulletin NΒ°03 (01)* CD vierge (01 isan'olona)* Taratasy A4 fotsy  (05 isan'olona)* Valopy A4 na chemise cartonnΓ©e* Β« EnquΓͺte de moralitΓ© Β» atao eny amin’ny Zandarimaria na Polisy nasionaly* Fanamarinam-ponenana (01)* Β« Acte de bravoure Β» na taratasy fanamarinana nanaovana asa soa (Service Γ‰minent), alaina eny amin’ny fokontany nanaovana asa soa, asiana sonian’ny filohan’ny fokontany sy sonian’ny ao amin’ny kaominina.Marihina fa tsy ho voaray ny taratasy fangatahana tsy feno.Ho an’izay mila fanazavana fanampiny dia afaka manatona an-dRamatoa LALAINA ao amin’ny Fitaleavana misahana ny maha olona (DRH MCC),  Immeuble Somacodis ambadiky ny Pavillon Analakely.

Publie le 26/02/2026 Par 451512 Categorie: ActualitΓ©s