Actualités > TANJON' NY TETIK' ASA PRODUIR IARAHAN...

TANJON' NY TETIK' ASA PRODUIR IARAHANA AMIN' NY BANKY IRAISAM-PIRENENA

Tanjon'ny tetikasa PRODUIR, iarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny hanatsarana ny toe-piainan'ny mponina eny amin’ny faritra iva amin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra sy fanadiovana ireo lakandrano isorohana ny tondran-drano.
Nijery ny firosoan'ny asa fanadiovana ny lakandrano ao Anosibe ny Filoha Andry Rajoelina.
Mirefy 12km ny lakandrano C3 ho diovina manomboka eo amin'ny lemaka Anosibe hatrany toby fitrohan-drano Ambodimita izay hahafahan'ny rano mikoriana indrindra rehefa fotoam-pahavaratra.
115000m³ ny fotaka ho esorina sy haodina ary alefa any Iarinarivo ary 71% ny asa no vita ankehitriny.
Ankoatra ny fiarovana amin’ny fiakaran'ny rano dia hanatsara ny endriky ny tanàna ihany koa ity tetikasa ity. Nanao antso avo ny rehetra ny Filoha hifanome tanana sy hanao ezaka hanova ny toetsaina ka samy hitandro ny fahadiovana.
𝐿𝑜ℎ𝑎𝑟𝑎𝑛𝑜 & 𝑆𝑎𝑟𝑦: PRM

TANJON' NY TETIK' ASA PRODUIR IARAHANA AMIN' NY BANKY IRAISAM-PIRENENA
TANJON' NY TETIK' ASA PRODUIR IARAHANA AMIN' NY BANKY IRAISAM-PIRENENA
TANJON' NY TETIK' ASA PRODUIR IARAHANA AMIN' NY BANKY IRAISAM-PIRENENA
Publie le 07/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualités