Actualitรฉs > TETIKASA PRODUIR

TETIKASA PRODUIR


Tokantrano 84 no hifindra monina maimaim-poana ao amin'ireo toeram-ponenana vaovao natsangana ao Andavamamba ao anatin'ny tetikasa PRODUIR. Raha trano hazo teo aloha no nipetrahan'ireo olona hisitraka izany dia hahazo trano biriky manaraka ny taotrano malagasy izy ireo, ary misy herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro.
Hohajariana ny lalana makany amin'izany toeram-ponenana vaovao izany ary hatsangana ao ihany koa ny tsena, ny paompin-drano sy ny toeram-pidiovana. Nanome toromarika ny Filoha Andry Rajoelina ny hanafainganana ny asa fanamboarana ireo trano ho vita alohan'ny fetim-pirenena amin'ny volana jona 2025.
๐ฟ๐‘œโ„Ž๐‘Ž๐‘Ÿ๐‘Ž๐‘›๐‘œ & ๐‘†๐‘Ž๐‘Ÿ๐‘ฆ: PRM

TETIKASA PRODUIR
TETIKASA PRODUIR
TETIKASA PRODUIR
TETIKASA PRODUIR
TETIKASA PRODUIR
Publie le 07/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs