Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy androany 𝟲 𝗳𝗲𝗯𝗿𝗼𝗮𝗿𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 ny 𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙥𝙞𝙧𝙤𝙩𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖𝙥𝙤 ho an’ity taona 2026 ity.Nisy ny lanonana ara-panjakana nanokafana izany androany teo ambany fiahian’ny 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝑹𝑨𝑺𝑶𝑳𝑶𝑭𝑶𝑨𝑹𝑰𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨 𝑴𝒊𝒂𝒓𝒚 notronin’ ny Talen’ny Kabinetra mpisolo toerana 𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑵𝑨𝑰𝑽𝑶 𝑯𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐𝒍𝒂 sy ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Firotsahana an-tsitrapo sy ny Fanentanana Ifotony (DPVAC) 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑵𝑫𝑹𝑨𝑩𝑬 𝑻𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝑴𝒂𝒎𝒑𝒊𝒐𝒏𝒐𝒏𝒂.Fanamby lehibe amin’ity taona ity ny hisian’ny fandrindrana miaraka ny asa ataon’ny mpirotsaka an-tsitrapo rehetra hoy ny 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘺. Tsy misy intsony hoy izy ny fibaikona fa teny ierana ny asa rehetra hatao. Nohamafisiny koa androany fa tsy mijanona amin’ny asa sosialy fotsiny ny mpirotsaka an-tsitrapo manomboka izao fa samy handray andraikitra tandrify azy ireo amin’izay rehetra atao eto amin’ny firenena.Fambolen-kazo moa nanombohan’ireo mpirotsaka an-tsitrapo ny taona iraisam-pirenena ho an’ny mpirotsaka an-tsitrapo androany izay notanterahina tao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Nandray anjara tao avokoa ny mpirotsaka an-tsitrapo malagasy sy ireo vahiny.