Natao sonia androany ny fifanarahana eo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'ny alalan'ny ORMADA sy ny Groupe Filatex amin'ny famatsiana sy ny fametrahana ireo jiro amin’ny lalana sy ny zaridainan’ny Rovan'i Madagasikara izay mirefy 250 metatra. Tetikasa mifanandrify amin'ny fenitra iraisam-pirenena amin'ny fikajiana ny vakoka izy ity. Ary manamafy hatrany ny fiarovana sy ny fanomezana lanja ny vakoka izany.