Feno fihetseham-po ny andro faharoan'ny fitsidihana ara-panjakana ataon'ny Filoha Natasa Pirc Musar eto amintsika. Teto Bemasoandro, teto amin'ny Akamasoa izahay, niaraka tamin'ny Pere Pedro ary notsenain'ireo ankizy mpianatra an'arivony tamin'ny tsikitsiky sy fitiavana.Nahazo sekoly vaovao, misy efitra 12 vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny firenena Slovène ireto zanatsika beazina eto amin’ny Akamasoa. Nahazo fanafody sy fitaovam-pitsaboana ihany koa. Hipoky ny hafaliana izy ireo. Ary izany no manosika antsika hiasa isan’andro mba hampamiratra ny hoavin’ireo zaza Malagasy hatramin’ireo marefo indrindra.