Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, marihana androany 5 jona izao, dia zaraiko ity fiaraha-mamboly hazo niarahanay sy Ramatoa Nataša Pirc Musar, Filohan’ny Repoblikan’I Slovénie tao Iavoloha nandritra ny Fitsidihana ara-panjakana nataony teto Madagasikara ity. Mankasitraka azy amin’ny fanoloran-tenany handray an-tanana manokana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ny firaisam-po ary ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny firenentsika roa tonta.Sarobidy ary haharitra toy ity voamboana niarahana namboly ity anie ny fifandraisan’i Madagasikara sy Slovénie.