Actualités > FIFANDRAISAN'I MADAGASIKARA SY SLOVENIE

FIFANDRAISAN'I MADAGASIKARA SY SLOVENIE


Amin’izao andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, marihana androany 5 jona izao, dia zaraiko ity fiaraha-mamboly hazo niarahanay sy Ramatoa Nataša Pirc Musar, Filohan’ny Repoblikan’I Slovénie tao Iavoloha nandritra ny Fitsidihana ara-panjakana nataony teto Madagasikara ity. Mankasitraka azy amin’ny fanoloran-tenany handray an-tanana manokana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa, ny firaisam-po ary ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny firenentsika roa tonta.Sarobidy ary haharitra toy ity voamboana niarahana namboly ity anie ny fifandraisan’i Madagasikara sy Slovénie.

FIFANDRAISAN'I MADAGASIKARA SY SLOVENIE
FIFANDRAISAN'I MADAGASIKARA SY SLOVENIE
Publie le 10/06/2025 Par 451512 Categorie: Actualités