Fantaro ao anatin'ity ranty ity ireo mpikambana vaovao ao amin'ny Filankevi-pitantanan'ny Andrin’ny Mariboninahi-pirenena izay vao notendrena ny 10 Martsa 2025, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana voalohany. Lanonana izay teo ambany fiahian'ny Filoha Andry Rajoelina. Tsiahivina fa ny Grand Chancellier jeneraly misotro ronono Ranjeva Marcel no mitarika ity filankevitra ity.
Mandritra ny 5 taona ny fe-potoam-pitantanan’ireo mpikambana vaovao amin' izany Filakevim-pitantanana izany, ary miisa 12 izy ireo, ary roa isaky ny faritany:
Rakotonarivo Donatella ( Antananarivo)
Vice-amiral Rakotoarisoa Marie Jean Lucien (Antananarivo)
Imbiky Anaclet (Toamasina)
Pr Mangalaza Eugene (Toamasina)
General Manakany Sylvere Claude Regis (Toliara)
Andreas Monique Rasoanirina Esoavelomandroso (Toliara)
Antoine (Mahajanga)
Soudjay Bachir Adehame (Mahajanga)
Jean (Antsiranana)
Manorohanta Cecile Marie Ange (Antsiranana)
Père Ratongavao Charles Raymond (Fianarantsoa)
Razafimanana Jean de Dieu (Fianarantsoa)