Nanomboka amin'ny fomba ofisialy ny fivoriana voalohan'ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevitry ny Mariboninahi-pirenena. Izany no manamarika ny fanombohan'ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana vaovao ireo. Toromarika nomen'ny Filohan’ny Repoblika, sady Lehibe Faratampon'ny Mariboninahi-pirenena, ny mba ho mari-pankasitrahana natokana ho an'ireo izay tena niezaka sy nanao asa mivaingana ho an'ny Tanindrazana ary ireo nitondra avo ny voninahi-pirenena izany mariboninahitra izany fa tsy zavatra mora azo fotsiny. Ny fivorian'ity rafi-panjakana ity dia natao indrindra hanatsarana ny fepetra sy fitsipika mifehy ny fanolorana izany mariboninahi-pirenena izany.