28 Febroary 2025 tamin’ny 10 ora maraina
HONDE
Tamin’ny 09 ora maraina teo dia any amin’ny 90 Km atsimo somary atsimo andrefan’Androka/Ampanihy no nisy ny foiben’i HONDE. Rivo-doza mahery na Cyclone Tropical ny sokajy misy azy. 120 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 165 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana somary atsimo atsinanana hatrany izy ka nahafaka 11 Km/ora.
Mitoetra amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy ny rindrin-drahona miaraka amin’ity rivodoza ity, izay miteraka tafiotra mety mihoatra ny 90 Km/ora. Hikija hatrany ny rotsak’orana (70 hatramin’ny 130mm/24 ora) hatramin’ny rahampitso ka ahiana ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano sy ny ranomasina ary ny fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo toerana marefo.
Manoloana izany dia miova ho toy izao ny filazana loza :
Loza mitatao miloko mena : Faritra Androy, Toliara I-II, Ampanihy ary Betioky Atsimo ;
Loza manambana miloko mavo : Faritra Anosy sy Benenitra.
Entanina ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy hatrany Vangaindrano mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manampahefana isan-tokony.
Météo Madagascar