Parisy, faha 01 aprily 2025
Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Parisy dia manamafy sy mandiso tanteraka ny vaovao diso misy manaparitaka ao amin’ny tambazotra serasera androany, milaza fa nisy fihoaram-pefy sy fidirana an-keriny tao amin’ny Masoivoho.
Marihina fa mitohy araka ny mahazatra ny asa sy ny andraikitra sahanin’ny Masoivoho, ary tsy nisy fanelingelenana na fikorontanana nahatonga fanohintohinana amin’ny fampandehanana izany.
Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia nisy olom-bitsy miisa folo teo ho eo tonga nametraka fangatahana fihaonana amin’Andriamatoa Masoivohon’i Madagasikara, izay noraisina sy notanterahina araka ny fenitra diplaomatika ary izy ireo ihany no nanao fanambarana tamin'ny alalan'ny tambazotran-tserasera.
Amin’ny maha solontenan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy, dia manameloka tanteraka ny fielezan’ny vaovao tsy marina sy ny finiavana hanakorontana amin’ny alalan’ny fanentanana sy fampirisihana amin’ny hetsika fanelingelenana samihafa ny Masoivoho.
Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Parisy