Antontanisa azo androany Alatsinainy tamin'ny 06 ora hariva tao amin'ny Hopitaly HJRA :- 43 no niditra Hopitaly tao amin'ny HJRA- 09 namoy ny ainy tao amin'ny HJRA- 03 namoy ny ainy tany amin'ny Hopitaly hafa (ny 01 tao Andohatapenaka, ny 01 tao amin'ny HOMI, ny 01 tany amin'ny Toeram-pitsaboana tsy miankina)- 13 ao anatin'ny fahasarotana - 21 tsy dia misy ahiana intsonyNitsidika ireo niharam-boina niaraka tamin'ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Filaminana anatiny ary ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria ny hariva teo tetsy amin'ny HJRA Anosy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna.Niantso ny rehetra ho tony sy hiombom-po ny Minisitra izay sady Mpitondra tenin'ny Governemanta ary niantso ny rehetra koa ho malina manoloana ny mety ho vaovao diso.Araho matetika eto amin'ny pejy ny vaovao marina sy ny tarehimarika farany.