Actualités > NY TRANGA TAZOMOKA ANY AMIN' NY DISTR...

NY TRANGA TAZOMOKA ANY AMIN' NY DISTRIKAN' IKONGO


Manoloana ny tranga tazomoka  any amin’ny distrikan’Ikongo, dia nanambara Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra tenin'ny Governemanta, MARA Volamiranty Donna , fa efa mandray andraikitra ny Governemanta miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon'antoka sy ireo rafitra samihafa, araka ny toromarika avy amin'Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina. Ao anatin'izany ny :-Fandefasana mpitsabo sy fanafody eny an-toerana.-Fandefasana CVO eny an-toerana.-Fanentanana ny olona hampiasa lay misy ody moka sy tsy hanao dokotera tena ary hanatona tobim-pahasalamana ara-potoana.-Fanaovana asa sosialy sy fanadiovana faobe.-Fanamafisana ny fandriampahalemana eny ifotony.Nanentana hatrany i Ramatoa Minisitra amin'ny fanomezana vaovao marina sy voamarina ary ny fizarana vaovao maripototra.

Publie le 03/07/2025 Par 451512 Categorie: Actualités