Nandrombaka ny fandresena goavana teo amin'ny fifaninanana "Mondial La Marseillaise à pétanque" ny ekipa malagasy notarihin-dRakotoarisoa. Resiny teo amin'ny lalao famaranana ny ekipan'i Quintais, taorian'ny fifandonana manan-tantara izay notontosaina ny alarobia 9 jolay. Voasoratra tamin'ny volamena ny anaran'i Madagasikara satria izao no sambany teo amin'ny tantaran'ity fifaninanana malaza ity no nisy ekipa vahiny nahazo ny amboara.Naharitra adiny roa sy 45 minitra mahery ny lalao famaranana. Tamin’ny isa tery 13 no ho 10 no nandresen'izy telo lahy, ahitana an'i Rakotoarisoa Yves Cédrick , Razanadrakoto Tiana Laurens izay fantatra amin'ny anaram-bositra hoe "Tonnerre", ary Rakotoarisoa Lova Satamandimby. Zava-bita goavana no vitan'izy ireo satria ireo Frantsay kalaza sy tompondaka am-perinasa mihitsy, dia ry Philippe Quintais, Philippe Suchaud, ary Jean-Claude Jouffre, no lavony.