ππ’ππ’π§π ππ§-π€π’ππ§π£π π¦ππ§ππ¦π©π² π’π«ππ¨ ππ¨π¦π©π¨π§'ππ§ππ«ππ’π€π’ππ«π ππ§π² ππ§-ππ¨ππ«ππ§π ππ¦π’π§'π§π² πππ§ππ§πππ§ππ§π π§π² ππ€π’π©ππ§'π§π² ππ’π§π’π¬π’πππ«ππ§'π§π² πππ«ππ¬ππ«π π¬π² π§π² ππ¨π₯π¨π§ππ¬ππ’π§π.Misy ny fidinana ifotony iarahana amin'ireo mpitsabo avy amin'ny MΓ©decins Sans FrontiΓ¨res, eo ihany koa ny mpilatsaka an-tsitrapo ka ny asa atao dia ny fanaovana ilay antsoina hoe " Soin de proximitΓ©", ny fitiliana ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, ny fitsaboana manokana ny resaka tazomoka sy ny maro hafa.Raha ny vokatra azo ho an'ny andron'ny 8 jolay manokana izao, olona manodidina ny 150 no nahazo fitsaboana, olona 20 voan'ny tazomoka no noraisina an-tanana, teo ihany ny fahatongavan'ny olona manantona toeram-pitsaboana taorian'ny fanentanana natao.Tanjona napetraka ihany koa ny hanatitra fanampiana ara-pahasalamana akaiky vahoaka amin'ireo toerana sarotra idirana.