ActualitΓ©s > TAZOMOKA IKONGO

TAZOMOKA IKONGO


𝐌𝐒𝐝𝐒𝐧𝐚 𝐚𝐧-𝐀𝐒𝐚𝐧𝐣𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐦𝐩𝐨𝐧'𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐀𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐞𝐀𝐒𝐩𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 π’πžπ«πšπ¬πžπ«πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨π₯𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐒𝐧𝐚.Misy ny fidinana ifotony iarahana amin'ireo mpitsabo avy amin'ny MΓ©decins Sans FrontiΓ¨res, eo ihany koa ny mpilatsaka an-tsitrapo ka ny asa atao dia ny fanaovana ilay antsoina hoe " Soin de proximitΓ©", ny fitiliana ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, ny fitsaboana manokana ny resaka tazomoka sy ny maro hafa.Raha ny vokatra azo ho an'ny andron'ny 8 jolay manokana izao, olona manodidina ny 150 no nahazo fitsaboana, olona 20 voan'ny tazomoka no noraisina an-tanana, teo ihany ny fahatongavan'ny olona manantona toeram-pitsaboana taorian'ny fanentanana natao.Tanjona napetraka ihany koa ny hanatitra fanampiana ara-pahasalamana akaiky vahoaka amin'ireo toerana sarotra idirana.

TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
TAZOMOKA IKONGO
Publie le 10/07/2025 Par 451512 Categorie: ActualitΓ©s