Actualités > NISAOTRA SY NANKASITRAKA NY VAHOAKA T...

NISAOTRA SY NANKASITRAKA NY VAHOAKA TAMIN' NY FAHENDRENA NASEHONY NY MPITONDRA TENIN' NY GOVERNEMANTA MARA VOLAMIRANTY DONNA


Tao anatin’ny fahamendrehana sy fahamatorana tanteraka no niatrehan’ny vahoaka Malagasy ireo hetsika goavana teto Madagasikara ny herinandro lasa teo.Tsy diso araka izany ny fahatokisan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny vahoaka Malagasy izay hahavita handray izany hetsika goavana izany. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka tamin’ny fahendrena nasehony ny mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna taorian’ny filan-kevitry ny governemanta voalohany natrehan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta taorian’ireo hetsika ireo. Voahaja ny soatoavina Malagasy amin’ny firaisam-po amin'ny fahaizana mandray vahiny sy fampanjakana ny fitoniana mialoha, mandritra ary taorian’ny hetsika na dia teo aza ny fihantsiana maro samihafa dia tony ny Malagasy.

Publie le 30/04/2025 Par 451512 Categorie: Actualités