Tao anatin’ny fahamendrehana sy fahamatorana tanteraka no niatrehan’ny vahoaka Malagasy ireo hetsika goavana teto Madagasikara ny herinandro lasa teo.Tsy diso araka izany ny fahatokisan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny vahoaka Malagasy izay hahavita handray izany hetsika goavana izany. Nisaotra sy nankasitraka ny vahoaka tamin’ny fahendrena nasehony ny mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna taorian’ny filan-kevitry ny governemanta voalohany natrehan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta taorian’ireo hetsika ireo. Voahaja ny soatoavina Malagasy amin’ny firaisam-po amin'ny fahaizana mandray vahiny sy fampanjakana ny fitoniana mialoha, mandritra ary taorian’ny hetsika na dia teo aza ny fihantsiana maro samihafa dia tony ny Malagasy.