Actualités > FISALORANA SAMBOADY NY BEN' NY TANANA...

FISALORANA SAMBOADY NY BEN' NY TANANA TAO AMIN' NY FARITRA ATSIMO ATSINANANA

Ben’ny tanàna 97 isa ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no nosalorana samboady ny Zoma 11 avrily 2025 teo. Nosahanin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa MARA Volamiranty DONNA, ary ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Ramatoa RAZAFINJATO Aurélie izany adidy izany.
Tao 𝑭𝙖𝒓𝙖𝒇𝙖𝒏𝙜𝒂𝙣𝒂, renivohitry ny Faritra no notontosaina ity lanonana ara-panjakana ity, izay notronin’ireo tompon'andraikim-panjakana ambony nahitana ny Filoha lefitry ny Antenimerandoholona Andriamatoa RABEMANANJARA Nicolas sy ny Filoha lefitry ny Antenimerampirenena Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Nambinina Elisette, ny Filohan'ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana Andriamatoa DAMA Arsène , ary ny Talen'ny Kabinetran'ny Ministeran'ny Fitsarana .
Tonga niatrika ity fotoan-dehibe fametrahana Samboady ity avokoa ireo Ben'ny Tanàna avy amin'ireo Distrika miisa 05 dia ny avy ao Befotaka Atsimo, Midongy Atsimo, Vondrozo, Vangaindrano , ary Farafangana.
Naneho fahavononana ireto Ben'ny tanàna fa hanatanteraka ny vina entin'ny fitondram-panjakana,izay tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA mba hisian'ny fivoarana eo amin'ireo Kaominina iadidin'izy ireo.

Publie le 14/04/2025 Par 451512 Categorie: Actualités