Nisongadina nandritra ny fitsidihana ara-panjakana nataon'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron, teto Madagasikara ny fanomezana ainga vao ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta. Porofon'izany ireo fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavina taorian'ny fihaonana arak'asa manokana teo amin'ny delegasiona frantsay sy malagasy izay niompana tamin'ny sehatra marolafy toy angovo, ny fanabeazana, ny fanovana ny fambolena, ny fotodrafitrasa sy ny toekarena.