Actualités > NORAISIN-DRAMATOA MINISITRY NY SERASE...

NORAISIN-DRAMATOA MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA TENY AMIN' NY ROVAN' I MADAGASIKARA NY FILOHA FRANTSAY




Noraisin-dRamatoa
Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna sy ireo
fianakaviana Ampanjaka sy olobe ary ny komity momba ny fampodiana ny kabeson’ny
Ampanjaka Toera ny Filoha frantsay Emmanuel Macron  nandritra ny fitsidihana ny Rovan'i
Madagasikara.

Nosoniavina
nandritra ity fitsidihana ity ny fampiharana ilay fifanaraham-piaraha-miasa
amin'ny tontolon'ny mozea nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina
Malagasy sy ny Minisitry ny Kolontsaina Frantsay, Ramatoa RACHIDA Dati tany
Paris ny 3 oktobra 2024.

Izany dia
mifantoka amin'ny fampiofanana momba ny fitantanana mozea, ny fikajiana ny
harem-bakoka sy ny toerana miavaka.

Publie le 28/04/2025 Par 451512 Categorie: Actualités