"Amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Asa izao, dia mahatsiaro manokana ireo mpiasa manerana an’i Madagasikara aho, ireo izay miaraka manangana ny firenentsika ao anatin’ny herim-po sy ny Fitiavana .Na tantsaha, mpampianatra, mpitsabo, mpitandro filaminana, mpandraharaha, mpiasam-panjakana, na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, ianareo tsirairay avy dia mitondra anjara biriky amin’ny fanorenana sy fampandrosoana ny Firenena. Mankasitraka sy misaotra anareo aho amin’ny ezaka sy fanoloran-tena asehonareo.Andao hifanome tanana, hiroso miaraka, hanorina fiaraha-monina mirindra, hanangana ho an’ny Firenena iombonana.Tratry ny Fetin’ny Asa isika rehetra!"