Actualités > HAFATRY NY FILOHAN' REPOBLIKAN' I MAD...

HAFATRY NY FILOHAN' REPOBLIKAN' I MADAGASIKARA ANDRY RAJOELINA AMIN' IZAO FANKALAZANA NY FETIN' NY ASA IZAO


"Amin’izao fankalazana ny Fetin’ny Asa izao, dia mahatsiaro manokana ireo mpiasa manerana an’i Madagasikara aho, ireo izay miaraka manangana ny firenentsika ao anatin’ny herim-po sy ny Fitiavana .Na tantsaha, mpampianatra, mpitsabo, mpitandro filaminana, mpandraharaha, mpiasam-panjakana, na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, ianareo tsirairay avy dia mitondra anjara biriky amin’ny fanorenana sy fampandrosoana ny Firenena. Mankasitraka sy misaotra anareo aho amin’ny ezaka sy fanoloran-tena asehonareo.Andao hifanome tanana, hiroso miaraka, hanorina fiaraha-monina mirindra, hanangana ho an’ny Firenena iombonana.Tratry ny Fetin’ny Asa isika rehetra!"

Publie le 02/05/2025 Par 451512 Categorie: Actualités