Actualités > NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY...

NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY

Ny maraina teo no tonga teto Mananjary ireo mpikambana avy amin’ny Governemanta malagasy izay tarihin-dRamatoa Minisitry ny Atitany, niaraka tamin’ny Minisitry Mponina sy ny Firaisankina, ary ny Minisitry ny Serasera sy kolontsaina MARA Volamiranty Donna sady mpiahy ny Faritra Vatovavy, niatrika ny zava-misy manjo ny vahoakan’i Mananjary izay tra-doza vokatry ny fahamaizan’ny tanàna maro ao an-toerana. Tsy tonga an-tanampolo ireo mpikambana avy amin’ny Governemanta izay iraka ofisialy avy amin’ny Fitondram-panjakana ireto fa  nitondra fanampiana maro isan-karazany. Ho avy anio alina ihany  koa ny vary 33 taonina avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mivady ho fiatrehana ny voinaHisy ihany koa ny fanomezana  "kit scolaire" ho an'ireo ankizy mianatra ary trano lay miisa 89, fizarana lay misy ody moka sy kojakoja maro isan-karazany ary ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana.Hozaraina sakafo masaka ireo tra-boina manomboka amin'ity Talata 16 Septambra 2025 ity,hoy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina.Nanotrona ny delegasiona iraky ny Filoham-pirenena ny Solombavambahoaka Mananjary RANDRIARISON Maurice Lucien na DM sy ireo tompon'andraiki-panjakana aty an-toerana.

NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
NY FAHATONGAVAN' IREO MPIKAMBANA AVY AMIN' NY GOVERNEMANTA MALAGASY ANY MANANJARY
Publie le 17/09/2025 Par 451512 Categorie: Actualités