Actualités > VOINA MAHAZO NY TANANAN' I MANANJARY

VOINA MAHAZO NY TANANAN' I MANANJARY


"Amin'ny anaran'ny Fitondram-panjakana izay tarihan'Andriamatoa Filohampirenena Andry RAJOELINA sy ny Governemanta iray manontolo izay tarihan'Andriamatoa Praiminisitra lehiben'ny Governemanta NTSAY Christian dia mankahery ny vahoaka an'i Mananjary amin'izao voina mahazo ny tanànan'i Mananjary izao.Tsy mipetra-potsiny ny fitondram-panjakana fa mandray andraikitra avy hatrany amin'ny alalan'ny fandefasana iraka dia ny mpikambana eo anivon'ny Governemanta izay hijery ifotony sy hifanome tanana sahady amin'ny zava-misy eny an-toerana.Mbola misy ihany koa ny fanohanana marosamihafa  ho avy satria ny fitondram-panjakana dia eo anilan'ny vahoaka hatrany."Ramatoa MARA Volamiranty Donna 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚

Publie le 16/09/2025 Par 451512 Categorie: Actualités