Manao tohivakana ny fiaraha-mientan’ny rehetra ho fanomezana tolo-tanana ho an’ireo havana mpiray tanindrazana tratran’ny voina vokatry ny fahamaizan’ny Tanàna tao Mananjary. Tonga niara-nientana ireo mpandraharaha avy ao amin’ny Faritra Vatovavy ( AOEV: ASSOCIATION DES OPPERATEURS ÉCONOMIQUES DE VATOVAVY )ka nitondra anjara biriky ho fikarakarana ireo vahoaka niharam-boina ka nanolotra Vola mitentina 4 Tapitrisa Ariary ho fikarakarana ireo havana .