Actualités > TSY HISY NY “EFFIGIE” NA SARY OFISIAL...

TSY HISY NY “EFFIGIE” NA SARY OFISIALIN’𝐍NY FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKA.


Ao anatin’ny fanatanterahana ny Fanavaozana ny fitantanana ny firenena, dia manambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, Kolonely Michaël RANDRIANIRINA, fa 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐢𝐬𝐲 𝐬𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐡𝐚𝐩𝐞𝐭𝐚𝐤𝐚 𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐛𝐢𝐫𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚.Natao izany mba :• Hialàna amin’ny kolontsaina fanandratana olon-tokana • Hampiarana ny politikan’ny fitsitsiana. Isan’ izany ny fahaizana mitsinjara sy mampiasa amin’ny tokony ho izy ny volam-panjakana. Ity sary ity kosa dia entina anehoana fa ny 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐦𝐩𝐨 𝐬𝐲 𝐡𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚. 𝐀𝐫𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐲 𝐬𝐲 𝐚𝐢𝐧-𝐝𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚. Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM

Publie le 26/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités