Nandrombaka ny amboara "Meilleur reportage Science TV" tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny AUBโUAR (fivondronan'ireo fahitalavi-pirenena aty Afrika) ny TVM tamin'ny alalan'i ๐ ๐๐๐ข๐๐ง๐ง๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ . I Fabienne izay mpanao gazety sady mpanatontosa fandaharana eto amin'ny TVM , nahafantarana azy ny fandaharana TOLOTRA SY TINADY. Horonantsary fanadihadiana 20 minitra mitondra ny lohateny hoe "Madagascar, lโรฎle rรฉservoir des plantes mรฉdicinales et aromatiquesโ no nentiny tamin'ny fifaninana ka nahazoany io amboara io. Fanadihadiana maneho fa manan-karena i Madagasikara raha ireo karazan-java-maniry entina hitsaboana misy eto amintsika. Izy io izay nanomboka niroborobo nandritra ny ady tamin'ny valanaretina COVID-19.Azonao jerena ato anatin'ity rohy ity ny horonantsry fanadihadiana manontolo: https://youtu.be/sIXuLunQVpA?feature=shared