« Bootcamp & Hackhaton » dia "formation intensive" natao hanamafisana ny fahaiza-mitarika, fahatokisan-tena ary fahaizana ara-pandraharahana sy teknolojia.
Ny tanjona dia ny hanomezana ireo zatovovavy traikefa sy fahaiza-manao ahafahany mijoro ho mpitarika fanovàna eo amin’ny fiarahamonina.
Tanora vehivavy miisa 2500 no nahazo traikefa ary tanaty haravoana sy firaisankina tokoa no niarahan'izy ireo nanaraka ny fiofanana nandritry ny telo andro teto amin'ny Complexe Sportif Mahajanga.
Resy lahatra aho amin’ny tetikasan’ireo tanora Vehivavy mpandraharaha tafiakatra tamin'ny dingana famaranana :
- Tania (SAVA) – Menaka Moringa
- Henintsoa (Analamanga) – "Jeu de société" Vita Malagasy
- Ambinintsoa (Analamanga) – "Eco Coco" (Briquettes vita avy amin’ny "noix de coco")
- Prisca (Atsimo Andrefana) – « Gas’Tsika »,Fanodinana fako ara-tsakafo
- Brigitte – Eco Bliss, serviette hygiénique en bambou
Tsy ireo nahazo amboara ihany no manana ho avy mamiratra fa ianareo rehetra manana tetikasa. Tano hatramin’ny farany, aza kivy amin’ny sakana, satria ny fanovàna dia manomboka amin’ny tenantsika.
Fihariana
@MinistèredelaJeunesseetdesSports
#fihariana #bootcamp&hackathon #zatovovavymiavotrasymivoatra