Actualités > MANAO FANAVAOZANA NY FITAOVAN'NY TVM...

MANAO FANAVAOZANA NY FITAOVAN'NY TVM SY RNM NY MINISITERA ANKEHITRINY.


Nanome valin’ny fanontanian’ny solombavambahoaka teny amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina androany.Efa antitra avokoa ny ankamaroan’ny fitaovana « 𝒆́𝒎𝒆𝒕𝒕𝒆𝒖𝒓𝒔 », sy « 𝒑𝒚𝒍𝒐̂𝒏𝒆𝒔 », ary trano fiasana sy fitaovana maro ampiasain’ny 𝐡𝐚𝐢𝐧𝐨 𝐚𝐦𝐚𝐧-𝐣𝐞𝐫𝐢𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐓𝐕𝐌 𝐬𝐲 𝐑𝐍𝐌 ankehitriny ka miteraka fahatapatapahan’ny fampitana ny 𝐬𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐞𝐨 any an-tokantrano.Miroso amin’ny 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙖𝙣𝙖 sy fampitaovana ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 ankehitriny ary namaly avy hatrany ny asa tena maika nangatahin’ny solombavambahoaka nandritra ny 𝗳𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝘃𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 natao teo amin’ny Antenimierampirenena sy ny Governemanta. Anisan’izany ny ao :𝐒𝐎𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀 izay vokatry ny tsy fahampian’ny tanjaky ny fitaovana no niteraka ny fahatapahana, ka vahaolana ny fampiakarana ny « 𝑝𝑢𝑖𝑠𝑠𝑎𝑛𝑐𝑒 » fa tsy misy akory ny fahasimban’ny fitaovana any an-toerana; ho an’ny distrikan’ 𝐈𝐀𝐊𝐎𝐑𝐀 dia hidina any an-toerana ny tekinisianina hijery ny fitaovana simba; ho an’𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐅𝐈𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 dia noho ny fanamboarana ny fitaovana natao tany Antananarivo no nahatapaka ny TVM sy RNM tany an-toerana. Vita ny fanamboarana ankehitriny ka ny alatsinainy 22 desambra izao dia ho azo ampiasaina avy hatrany io « 𝑒́𝑚𝑒𝑡𝑡𝑒𝑢𝑟 » io;ny an’ny distrikan’i 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐎𝐑𝐎 dia fahasimban’ny « 𝑝𝑦𝑙𝑜̂𝑛𝑒 » no fototry ny olana ka hamboarina avy hatrany izany. Fitaovana madinidinika toy ny « 𝑚𝑖𝑐𝑟𝑜𝑠 » 𝑠𝑦 « 𝑐𝑎𝑚𝑒́𝑟𝑎 » kosa no olana ho an’i 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 ka hatao avy hatrany ny fampitaovana mba hamerenana amin’ny laoniny ny fampitana. Ho an’ny distrikan’𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐈𝐌𝐎𝐑𝐀 𝐒𝐔𝐃 dia amin’ny maha d𝘪𝘴𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘷𝘢𝘰𝘷𝘢𝘰 azy no antony tsy mbola ananany fitaovana sy trano fiasana ary mpiasa hampihodina ny TVM sy RNM any an-toerana. Ho an’i 𝐁𝐄𝐑𝐎𝐑𝐎𝐇𝐀 kosa dia efa nanomboka ny alakamisy 11 desambra teo no niverina nandeha ny haino aman-jery any an-toerana taorian’ny fanamboarana natao. Farany ho an’ny distrikan’𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐒𝐀𝐑𝐘 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌𝐎 dia hosoloina manontolo ny « 𝑎𝑛𝑡𝑒𝑛𝑛𝑒 » izay efa simba tanteraka.Ampahany amin’ireo asa maro miandry ny Minisitera ireo, araka ny tatitra nataon’ny minisitra 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂 androany teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

MANAO FANAVAOZANA NY FITAOVAN'NY TVM SY RNM NY MINISITERA ANKEHITRINY.
MANAO FANAVAOZANA NY FITAOVAN'NY TVM SY RNM NY MINISITERA ANKEHITRINY.
MANAO FANAVAOZANA NY FITAOVAN'NY TVM SY RNM NY MINISITERA ANKEHITRINY.
MANAO FANAVAOZANA NY FITAOVAN'NY TVM SY RNM NY MINISITERA ANKEHITRINY.
MANAO FANAVAOZANA NY FITAOVAN'NY TVM SY RNM NY MINISITERA ANKEHITRINY.
Publie le 22/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités