Araka ny fampahafantarana efa nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika eto Madagasikara dia mbola ao anatin'ny fijerena ireo olona ho tendrena ho mpikambana eo anivon'ny Governemanta ny fitondram-panjakana amin'izao. Tsy mbola misy ihany koa ny vaovao ofisialy momban’ny firafitry ny Governemanta ho apetraka.Ampahafantarina noho izany isika rehetra fa eto amin'ny pejin'ny Fiadidian'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara irery ihany no amoahana ny vaovao ofisialy. Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM