Nisedra fahasahiranana ny mponina tany anivon’ ireo Distrika ireo nandritry ny fotoana naharitra nohon' ny fahasimban’ ny «pylones» vokatry ny rivodoza tamin’ny fiandohan’ny taona 2025.Nandray an-tanana ny fanarenana ireo fitaovana fototra amin’ny fampitana ny vaovao ireo ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 mba hahafahan’ny vahoaka miverina mahazo ny vaovao avy amin’ny haino aman-jerim-pirenena 𝐓𝐕𝐌 sy 𝐑𝐍𝐌.Ankehitriny dia tafatsangana soamantsara ny «pylone»TVM sy RNM ao Amboasary Atsimo, ary vita tanteraka ihany koa ny asa fametrahana «pylone» vaovao hoan'ny Distrikan'i Tsihombe.