Amin’ny vanim-potoana sarotra tahaka ny fiatrehana loza voajanahary miseho eto Madagasikara tahaka izao fisian’ny rivodoza FYTIA sy GEZANI izao no itarafana ny 𝙩𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙍𝙖𝙙𝙞𝙤 mitaha amin’ireo fitaovan-tserasera hafa rehetra, amin’ny maha 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙝𝙤𝙢𝙗𝙮 ampitana vaovao, sy ifandraisan’ny lafivalon’ny Nosy azy.Niara-nientana nanamarika ny datin’ny 𝟭𝟯 𝗳𝗲𝗯𝗿𝗼𝗮𝗿𝘆, izay 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙤 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙧𝙖𝙣-𝙩𝙖𝙣𝙮 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙍𝙖𝙙𝙞𝙤 ireo onjampeo tsy miankina maherin’ny 50 izay nampita mivantana ny fandaharana manokana niainga avy ao amin’ny Radio Madagasikara Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz tamin’ity androany ity. Ankoatra ny tao Antananarivo izay nanatanteraka fiaraha-mientana tao amin’ny efitrano Havoria Anosy ho fanamarihana amin’ny fomba ôfisialy ny andro anio, dia niara-nampita mivantana sy niaraka nanamarika ity andro natokana ho an’ny Radio ity koa ireo 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘭𝘦𝘢𝘷𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 manerana an’i Madagasikara niaraka tamin’ireo Radio tsy miankina any an-toerana.𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒌𝒂𝒓𝒐 𝒏𝒚 𝒍𝒆𝒏𝒕𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒅𝒊𝒐, hoy ny 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝑹𝑨𝑺𝑶𝑳𝑶𝑭𝑶𝑨𝑹𝑰𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨 𝑴𝒊𝒂𝒓𝒚 nandritra ny lahateniny izay nanatrika ny lanonam-pankalazana notronin’ny 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑭𝒂𝒍𝒚 𝑴𝒂𝒉𝒆𝒇𝒂𝒏𝒊𝒓𝒊𝒏𝒂 tao amin’ny Havoria Anosy. Notsindriany ihany koa fa manana ny lanjany ny onjampeo amin’ny maha fitaovana ahazoana miresaka mahakasika olona marobe, tsy anavahana sokajim-pahalalana, ary tsy mila fitaovana lafo vidy. Tsy azo adinoina fa manana ny toerany ny onjampeo ka fotoana izao hanamafisana ny fisiana ana habaka, ary fitaovana natao hampiroboroboana ny radio sy hanatsarana ny vokatra koa ny 𝗜𝗔 araka ny lohahevitra «𝙉𝙮 𝙤𝙣𝙟𝙖𝙢𝙥𝙚𝙤 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙞𝙡𝙤𝙣𝙩𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙩𝙞𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 : 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙛𝙚𝙤»Ho an’ny 𝗥𝗡𝗠 manokana dia miroso amin’ny 𝘄𝗲𝗯𝗿𝗮𝗱𝗶𝗼 ny onjampeom-pirenena amin'ny alalan'ny 𝘄𝘄𝘄.𝗿𝗮𝗱𝗶𝗼𝗺𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮.𝗰𝗼𝗺 izay manaraka sy maharaka ny firimorimon’ny fandrosoana maneran-tany araka ny vinan’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 hoy ny Talen’ny Radio Nasionaly Malagasy 𝑹𝑨𝑺𝑶𝑳𝑶𝑨𝑹𝑰𝑺𝑶𝑵 𝑯𝒂𝒓𝒊𝒎𝒃𝒐𝒍𝒂 𝑴𝒐𝒏𝒊𝒄𝒂.Nanotrona ny hetsika ny Sekretera Jeneralin'ny Vaomieram-pirenena Malagasy ho an'ny UNESCO, ireo Talen'ny Serasera eny anivon'ny Minisitera mpiara-miasa, ireo tompona onjampeo sy mpitantana onjampeo ary ireo mpisehatra amin'ny onjampeo.𝙄𝙍𝘼𝙔 𝙁𝙀𝙊 𝙉𝙔 𝙍𝘼𝘿𝙄𝙊 𝙍𝙀𝙃𝙀𝙏𝙍𝘼