Nitsirika ireo fitaovan’ny hainoamanjerim-pirenena eny anivon’ny faritra ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢, 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂, mba hiantohana ny fahalavorarian’ny fampitam-baovao sy ny fifandraisana anatin’ny vanim-potoana sarotra tahaka ny fisian’ny voina voajanahary toy izao mitranga eto Madagasikara izao. Isan’ny notsidihin’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 ny TVM / RNM ao 𝘼𝙢𝙥𝙖𝙧𝙖𝙛𝙖𝙧𝙖𝙫𝙤𝙡𝙖, izay toerana tsy nisy mpijery efa am-polo taona rahateo, ka homena fampitaovana tahaka ireo Fitaleavam-paritra hafa efa nisitraka fanampiana ara-pitaovana mba hahafahana manatsara ny fampitana ny vaovao avy eny ifotony.