Nanokatra ny fivarotana tafo fanitso sy fantsika, tao Ankirihiry Bazar may, ny Alatsinainy 16 Febroary 2026, ny Prefen’i Toamasina sy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Atsinanana ary ny Tale jeneralin’ny SPM (State Procurement of Madagascar). Amin’ny alalan’ny Orinasam-panjakana SPM no anatanterahan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), hahafahana mivarotra amin’ny vidiny mora ireo fitaovana fampiasana amin’ny fanorenana ho an’ireo rava na simba trano sy fananana ao Toamasina.Mila mitondra karinem-pokontany sy karapanonondro ny mpisitraka hahafahana mitsinjara ireo fitaovana ireo ka hipàka any amin’ny vahoaka izao hetsika fifampitsinjovana izao.Ministère du Commerce et de la Consommation