Ny FIANAKAVIAMBEN'NY Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina tarihin-dRamatoa Minisitra MARA Volamiranty Donna dia miarahaba manokana ny Filoha ANDRY RAJOELINA aminβny maha filohanβny Vondrona SADC azy. Sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara hatramin'ny naha mpikambana antsika teo anivon'ny Vondrona SADC no nisy Filoha Malagasy voalohany hitarika izany Vondrona izany. Tontosa ny maraina teo ny fifamindram-pitantanana teo amin'ny Filohanβi Zimbabwe, Andriamatoa EMMERSON MNANGAGWA sy ny Filohanβny Repoblika, Andriamatoa ANDRY RAJOELINA.#SADCMadagascar #SADC2025 #AntananarivoSADC