Feno 94 taona anio ny Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz. 94 taona nanabeazana, nizarana vaovao sy nampialavoly ny mpihaino. Vavolombelon'ny tantara sy mpiara-dia amin'ny vahoaka malagasy amin' ny lafiny rehetra ny Radio Madagasikara. Ny fampiarahana ny traikefa tranainy sy ny fomba fijery vaovao manaraka ny fanatontoloana no naha-toy izao ny RNM hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Volamiranty Mara Donna. Manamarika izao faha-94 taona izao ny fanoloran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fitaovana hoenti-manatsara ny fomba fiasa eto anivon'ny Radio Madagasikara.Radio Madagasikara, n'aiza n'aiza, amin' ny fotoana rehetra