Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna ireo mpandray anjara 35 avy amin'ny fikambanana 23 maneran-tany tonga eto Madagasikara.Izy ireo izay manatrika ny fampiofanana mahakasika ny filatsahana an-tsitrapo ho fiarovana ny harem-bakoka manoloana fiovaovan'ny toetr'andro.Tombony lehibe ho an'i Madagasikara izao ary ny filatsahana an-tsitrapo no ainga entina manafaingana ny fampandrosoana ny firenena hoy Ramatoa Minisitra.