Tao anatin'ny 15 taona no tsy afaka nanaraka ny Televiziona nasionaly na ny Radiom-pirenena malagasy i Morombe, ka tonga nitondra vahaolana ho an'ny vahoakan'i Morombe ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina , izay nanolotra fampitaovana "émetteur Tv" ho an'ity rantsamangaikan''i TVM ao an-toerana ity.Fa nialoha izay dia fitaovana vaovao maro ihany koa no natolotry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Mara Donna ho an'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Atsimo Andrefana ho oenti-manatsara ny tolotra avy amin'ny Radio Televiziona Soatalily eto Toliara. Nohamafisin' i Ramatoa Minisitra fa tsy misy ho diso anjara, ary tsy misy ho adino ireo Distrika miisa 9 mandrafitra ity Faritra ity fa hisitraka fampitaovana avy amin'ny Fitondram-panjakana avokoa ho fanatanterahana ireo vina napetraky ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina mahakasika ny Fanjakana manakaiky vahoaka.Nandray ireo fitaovan-tserasera vaovao ireo ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Atsimo Andrefana RAVOLOLONJANAHARY Marcelia sy ny Delegen'ny MSK ao Morombe HOMSI Fabrice Alexandro , notronin'ireo mpiara-miasa rehetra eto an-toerana.#MadagasikaraTsymaintsyMandroso#SeraseraVatoFototrynyFampandrosoana