Niavaka ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Mozea androany, natao teny amin'ny Rovan'Ambohimanga, izay voasokajy ho Mozea ara-tantara ny taona 1897. Nosafidian-dRamatoa Minisitra MARA Volamiranty Donna manokana ireo mpianatra, hoavin'ny firenena amin'ny maha toeram- panabeazana ara-kolontsaina ny Mozea."Zava-dehibe ny Mozea satria toerana natokana ho an'ny fikarohana, fanangonana, ny fikajiana, fandikana ary fampiratiana ny lova ivondronan'ireo sanganasan-java-kanto sy Kolontsaina, na ara-tsiantifika na ara-tekinika eo amin'ny tantara. Ary izany indrindra no nanokanana ity fotoana ity ho anareo mpianatra, satria ianareo no tompony, isika izao no hiara-hientana hikolokolo sy hanaja izany", hoy i Ramatoa Minisitra."Ny hoavin'ny Mozea eo anivom-piarahamonina an-dalam-piofona" no lohahevitra nosafidiana nandritra izany.