...Mandrera-tsaina ny mitiamanadala mampahia tsy ahavitana izay ataofa manjombon-dava izaomahalasa ambiroamampirediredy koa...Sombin-tonokalon'i Randja Zanamihoatranalaina tamin'ny VAINAFO TONONKIRA tak 56Notanterahina androany tetsy amin'ny Efitrano DOX, tranombokim-pirenena Anosy ny lanonam-panokafana ny fahazato taonan'i Randja Zanamihoatra. Fotoana izay nentin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina nanomezan-boninahitra ity mpandalina ny asasoratra malagasy isan'ny ngeza ity. Hetsika maro samihafa no hotanterahina mandritra ny fotoam-pankalazana toy ny takalo, velakevitra, fifaninanana teatira poetika, fampirantiana ny sora-piainany, izay nosantarina androany tamin'ny alalan'ny lanonam-panokafana izay notarihin'ny Sekretera Jeneraly Andriamatoa Fetraniaina Rakotondrasoava , izay nanamafy fa ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina tarihin-dRamatoa Mara Donna dia manao ho zava-dehibe ny harembakoka literera amin'ny maha Ministera miahy ny Kolontsaina azy."Ako sy feo" no lohahevitra iompanan'ny fankalazana izay nosafidiana hifanindra amin'ny datin'ny 29 May izay nahaterahan'ity andrarezin'ny asasoratra malagasy nandia vanim-potoana maro ity.Edmond Randriamananjara no anarany, raha Randja Zanamihoatra kosa no anarana nentiny nisehatra tamin'ny asasoratra.Teraka ny 29 May 1925 tao Vatovory Ambositra ary nodimandry ny 11 Jolay 1997.Poeta, mpanoratra, mpandalina ny zava-miafina toy ny psikolojia sy filozofia, nanao fanandroana tamin'ny alalan'ny fandinihana karatra, nandinika ny Baiboly sy ny maro hafa.Ny faha- 100 taonan'i Randja Zanamihoatra, izay fotoana lehibe nifanotronan'ireo tapaka sy namana, mpianatra sy mpanabe, fianakaviana sy olon-tsotra sy ireo maro hafa niaina, nanovo fanabeazana, ary nianoka ny hakanton'ny asasoratra navelany.