Actualités > LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA

LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA


Nivoaka tamin'ny fomba ofisialy ilay boky mitondra ny lohateny hoe «LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA », nosoratan’i Elisé Romuald. Natokana hampahafantarana ny karazana lahabolana na litertiora am-bava misy ao amin’ny foko betsimisaraka ity boky ity.Teo amin’ny tokotaniben’ny Tranombokim-pirenena, Anosy, no nanaovana ny lanonana, teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna sy ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha sady Andriambon’ny Fikambanan’ny Zanak’i Toamasina (FIZATO), Imbiki Anaclet. Nisolo tena ny Minisitra nitarika ny lanonana ny Sekretera jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsiana,  Fetra Rakotondrasoava. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny tsenaben’ny boky sy fanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy. Ny Minisitra Mara Volamiranty Donna Mara Donna no nanao ny teny fanolorana ny boky.  Profesora Ranaivoson Jeannot Fils no nanao ny teny mialoha.  Ny EDIRAR no trano mpanonta. Voarakitra ao anatin’ny 192 pejy ny karazana lahabolana voasoratra amin’ity boky  ity, ary misokajy telo lehibe dia ny :  - Lahateny fandresen-dahatra, toy ny rasavôlaña, ôhabôlaña, hantambôlaña - Hira vako-drazana sy rindran-teny faneho an-tsehatra, fanafanana lanonana, toy ny  ôsiky, jijy/tôkatôka, sôva, fankahitry, hira dôlan-jaza- Sokajy mitantara sy fitaizan-tsaina, toy ny angano sy korambe, ankamantatra, ankanoñoño, ankifidy. Nanamarika ny lanonana ny fampisehoana ny kolontsaina betsimisaraka, toy ny fitafy, rasavôlan-toaka, ôsiky sy dihy.

LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA
LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA
LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA
LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA
LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA
LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA
LAHABÔLAÑA BETSIMISARAKA
Publie le 10/06/2025 Par 451512 Categorie: Actualités