Nanamafy ny fisaorana ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta NTSAY Christian, noho ny amin'ny fanaovana laharampamehana ny Serasera sy ny Kolontsaina, i Ramatoa Minisitra MARA Volamiranty Donna, nandritra ny fifanatrehana mivantana teo amin'ireo mpikambana eo anivon'ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka, teny amin'ny Antenimierampirenena.Asa lehibe natao hoy izy ny fampitaovana ireo rantsamangaika isaky ny distrika ary tsy maintsy hotohizana izany. Notsindriany manokana ny maha zava-dehibe ny fiahiana ny haino aman-jerim-pirenena.Nankasitraka ireo mpiara-miasa teo anivon'ny TVM sy ny RNM ihany koa izy tamin'ny fandefasana mivantana iny fifanatrehana naharitra roa andro iny. Asa izay tsy mora hoy izy satria nandritra ny ora maro ny faharetany nefa andraikitra natao am-pitiavana izany amin'ny maha tany demokratika antsika. Ary nanentana hatrany i Ramatoa Minisitra ny amin'ny fanomezana vaovao marina, voamarina, voalanjalanja izay zo fototry ny olom-pirenena.Politika apetraky ny Minisitera hoy izy ny fanandratana ny hambopo ara-Kolontsaina isaky ny distrika ka izay no antony hifanohanana amin'ireo hetsika ara-kolontsaina maro natao, izay entina hanehoana ny fiombonana sy firaisampo hatrany.Nambarany tamin'ireo Solombavambahoaka nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsapa fa samy saropiaro isika hitondra ny fampandrosoana ka ilaina ny fiaraha-misalahy. Ary porofo manan-danja ao anatin'izany hoy i Ramatoa Minisitra ny fahatongavana nandritra iny fifanatrehana natao iny."Ny Serasera antoky ny filaminana sy ny fitoniana"