Ao anatin'ny ezaka fampiroboroboana ny vaky boky dia nandray fanomezana boky miisa 490 baoritra avy amin'ny Kaomina Tampon ao amin'ny Nosy La Réunion, androany 17 Jona 2025 tetsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina MARA Volamiranty Donna notronin'ireo mpiara-miasa aminy. Izao dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara - BNM sy ny Fikambanana APIC (Association pour la promotion des Initiatives Citoyennes) ary ny Médiathèque ao amin'ny Kaomina Tampon. Ho entina manampy ny tahirim-boky azo vakiana ao amin'ny tranombokim-pirenen'i Madagasikara ao Anosy ny ampahany amin'ireo boky ireo. Hisy koa ny ho zaraina any amin'ny faritra.Vokatry ny fifandraisana mahomby aty amin'ny Ranomasimbe indiana izao ary mariky ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana mari-pototra eo amin'i Madagasikara sy La Réunion hoy Ramatoa Minisitra nandritra ny fandraisany fitenenana.